La mémoire est le désir satisfait.


Une partie des Malgaches de Bordeaux s'est manifesté le 28 mars 2009

30/03/2009 09:59

 

 

« … Sao dia mbola misy hiteny aloha, sao dia misy manana zavatra ho tenenina ? »

« …Sao dia mimonomonona any ambadika any rehefa avy eo ! »

 

Nadikako soratra ny sombina resaka nandritran’ny fivoriana natokana ho an’ny olona tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana 2009. Karazana fehezanteny voaray feo, « prises sur le vif » moa ilay izy ka misy tapatapaka, misy mifangaro teny malagasy sy frantsay. Ny tanjona dia ny hizarana amintsika mpiraitanindrazana ny fihetsem-po ny mponina eto amin’ny faritra iray eto Frantsa. Marihina fa tsy nisy fandraisana anjaran’ny mpaka sary sy feo ankoatran’ny mihaino sy ny manangatanana (endrika fifidianana nandritry ny fivoriana) mba ho fanohanana hevitra. Ny safidy ny hevitra rehetra voafantina ho zaraina amintsika no fomba fandraisana anjara. Izany hoe ny hevitra eto dia an’ny mpiraitanindrazana amin’ny mpaka sary sy feo daholo. Ny fandraisana anjara angamba, izay kely dia kely, dia ny fizarana ny hevitra amin’ny hafa mitovy fihaviana, tanindrazana, mitovy tenindrazana. Nataoko « achronique » ny séquence, izany hoe ny filaharan’ny zana-kevitra. Fa ny fanontaniana sy ny valiny dia arak’izay tao anatin’ny kasety. Angamba nianarako zavatra maromaro iny fivoriana iny ! Ny fifandimbidimbiasana miteny, ny tsy fisalasalan’ny rehetra mijoro amin’ny heviny ! ny fitenenana hoe « azafady aloha raha iteny kely », na hoe «  tsy hoe manapaka ny teninao aho akory fa… » Na indrindrindrindra hoe « Ataovy ary ny tsangatanana ! », misy ohatra ny tsy mananga-tanana, mangataka micro, milaza hoe izao ny antony tsy nananganany tanana ! (ohatra misy olona nanazava ny antony tsy nananganany tanana : « Est-ce qu’on sait qui sont ces gens ? Qui en font parti ? La question basique est d’être objective ! Qui est le collectif en question ? C’est pour cela qu’on n’a pas lever la main ! Quelle est sa composition ?... pour qu’on puisse faire notre choix quoi ! On ne va pas lever la main parce qu’ils sont biiiiip ! »

Nahatsapako ihany koa ity fivoriana ity hoe misy Malagasy tsy faly, misy Malagasy miray hina, misy Malagasy miara mandinika, misy Malagasy miara manadiady hevitra miaraka, indrindrindrindra mifampiheno. Misy ny fikorontanana, nefa efa dingana lehibe raha toa ka sahy mijoro.

Mazotoa tompoko !

 

« … Raha miditra resaka média isika dia sakanan’ny Frantsay foana. Efa misy niditra fa nosakanan’ny Frantsay foana … ny zavatra ataontsika rehetra dia avadikin’ny Frantsay foana, tsy tonga tanteraka any amin’ny Malagasy any an-toerana ny hafatra ».

« … Aoka aloha azafady, alohan’ny hidesidena ny rehetra dia d’accord daholo ve isika, iaraka amin’ny ny an’ny Biiiiip ? Samy milaza ny heviny ».

« Amin’izao praobilema izao ve dia mbola hanao division ihany ? ».

« On a eu une expérience très récente, entre les associations qu’on appelait Tim France, Tim Europe, Tim Sud Ouest. A ma connaissance, à chaque fois que Tim Sud Ouest voulait envoyer des infos à Madagascar, on a bien su que les infos partaient d’ici, mais elles étaient bloquées à Tim Europe et ça n’est jamais arrivé à Madagascar».

« Il ne faut pas confondre Tim Europe, Tim France, Tim Sud Ouest avec Le collectif pour la démocratie. Il y a une chose très importante, à mon avis, ça n’empêche pas que le collectif de Biiiip d’avoir des initiatives. Parce que dans cette histoire, je suis d’accord, nous sommes tous d’accord, comme quoi, il faut penser à nos frères et sœurs et famille, qui sont pris pour des pigeons, ary manahirana ihany a ! Vous rencontrez des amis… il y a une communication par rapport aux gens d’ici : ça y est t’as un Disque Jockey comme Président maintenant ? ».

« C’est pour ça qu’il faut bouger ! »

« Y a pas que ça ! Avant il y avait ceux qui disaient « c’est un laitier » Ce n’est pas ça ! C’est la démocratie, ce terme démocratie est très important ! Oui bien sûr, il y avait des élections en 2002, mais il faut dire qu’il n’y avait pas ce deuxième tour attendu qui a faussé pas mal de choses. Mais ce qu’il faut surtout dire avant ça, il y a eu que des coups d’Etats. Je parlais avec des gens qui ont fait des études la dessus et qui ont dit : c’est peut être la démocratie à la malgache ! Seulement, cette démocratie «à la malgache », il faut qu’elle prenne une forme constitutionnelle ! Institutionnelle, reconnue dans le monde, c’était juste un sentiment !».

« …c’est dans l’urgence izany é, plus ça dure, plus on sera oublié, pourquoi on fait la manifestation…Non au coup d’Etat sy ny pouvoir illégal. Tsy hanaovana politika io any aoriana any, fa hitambatra fotsiny hoe tsy hanekena an’izao zava-misy izao izany é ! Ny collectif pour la démocratie… c’est ce qui descend dans la rue amin’izao fotoana izao !

« Amin’ny maha caractère urgent an’ilay izy izany dia …le 2 ou le 3 avril, misy ny assise nationale, ka ny 2 ou 3 efa dans la semaine prochaine ».

« …Ny assise nationale izany, io no tsy heken’ny olona hoe, c’est eux qui vont fixer la date ».

«  Ny praobilema amin’izao angamba tsy hoe iza no TIM, iza no tsy TIM ? iza no collectif ? iza no tsy collectif ? Izaho tsy TIM raha ny tena marina fa tsy d’accord fotsiny aho hoe ahoana no misy coup d’Etat any Madagasikara… ny communication efa facile ‘zao é ! il suffit de mettre un article dans Top Mada ou Sobika, tonga any foana iny, ny itako essentiel androany a, tokony efa misy communiqué hoe isika eto Biiiiip dia tsy d’accord amin’ny zava-misy any Madagasikara, au moins une partie de Biiiip,  avec photo à l’appuie pourquoi pas ? hoe Misy olona tsy d’accord ihany koa aty ! »

« …nalefa tao amin’ny sobika sy top mada ilay izy fa hatramin’izao ilay izy tsy nivoaka, ka mbola tsy hainay izany hoe ahoana no mba… ho lasa annonce officielle ilay izy ».

« Midika ve hoe misy censure ny piiiiib ? »

« On ne peut pas parler de légalité sans retour de Ravalomanana ! ».

« …Matoa isika tonga eto, dia satria nahatsapa fa nisy fanonganam-panjakana tany Madagasikara, coup d’Etat hoy ny vazaha, ka raha misy ny fanonganam-panjakana a, dia ny vahoaka malagasy no tsy manaiky amin’izao fotoana izao, matoa ny vahoaka malagasy tsy manaiky… ny vahoaka malagasy tiako tenenina raha manome fanontaniana hoe iza ny vahoaka ? ny vahoaka malagasy anie dia ny te hanaraka ny lalàna, izay amin’ny akampobeany, ka ahoana no hi-definissena hoe iza ny vahoaka ? misy ny fifidianana tao ! nandeha ny fitondrana tao ! Izaho manaiky fa nisy ny tsy fankasitrahana angamba tao matoa misy ny fihetsehana, fa moa ve raha misy zavatra tsy ankasitrahanao dia azonao arodana ny fanjakana ? izay ny fandehany tiako tenenina, dia izay resaka izay, no hitsapatsika hoe tongan’ny fanonganam-panjakana ka io no tadiavin’ny olona, mahatonga ny olona mihetsika amin’izao fotoana izao. Mazava amin’ny rehetra izay ? Tsy manaiky ny fanonganam-panjakana ny olona. Sa ho atao resaka Ravalomanana izy ity sa… ? Tsy resaka Ravalomanana fa resaka fanonganam-panjakana, kanefa kosa, tandremo, fa iza no filoha araka ny lalàna amin’izao fotoan’izao ? Izay ny fanontaniana mipetraka. Raha toa ianareo tsy tia an’io mpitondra io, anjaranareo no manala azy amin’ny fomba aradalàna, azonareo ? Ka izay no tiako naverina kely satria sahala amin’ny misy tsy mahazo ! Manarak’izay, ataoko angamba fa tsara ho fantatra koa hoe inona ny zavatra atao eto fa, angamba dia ataotsika resaka communication araka ny notenenintsika teo, mampita ny etaeta sy ny zavatra tiana ho fantatra ny vahoaka any Madagasikara, hoe mahalala hoe, inona ny zavatra mitranga, manao eto izay te anao eto,

« Marina mihintsy ny anao Ramose…Marina mihintsy ny azy ka ! »

« Dia rehefa avy eo, manao ny antsika eto isika, mampita any Biiiiiip, miara miasa izany isika satria intérêt antsika ilay izy, izay no fijeriko azy !

« Misy tovolahy andray fitenenana ato azafady…

« … La question qui se pose en ce moment, c’est que veut le peuple malgache ? après, en 2002, la diaspora malgache participait au renversement de Ratsiraka, donc il faut se remettre en question !

« Que veut le peuple ? Le peuple veut la légalité, c’est tout ! Pourquoi on fait ce mouvement ? Simplement, parce que Andry TGV a dit que la diaspora malgache était d’accord pour renverser l’Etat. Je ne fais pas parti ce coup d’Etat !

« …ça veut dire quoi légalité en fait ? Pourquoi la légalité, qu’est-ce que c’est ? Il était élu, il avait son mandat qui n’est pas fini… »

« … article 52 de la constitution, qui met vacances du poste parce que le Président a démissionné, donc, ça devait être assuré par le président du sénat, eo izany ny légalité amin’izao fotoana izao ! Ny angatahantsika anefa tsy izay fa mi-condamner, hatramin’ny voalohany a, mi-condamner ny coup d’Etat ! »

« Tout le monde s’est approprié le peuple, donc, à un moment donné, il y avait quelqu’un qui disait, le peuple est avec nous… et maintenant, on peut dire aussi le peuple veut la démocratie ! Le peuple c’est tout simplement le résultat d’une vote universelle, là on peut dire que le peuple a choisit, mais si on commence à dire le peuple a faim, c’est vrai, mais enfin de compte, tout le monde s’approprie le mot peuple ? »

Resaka teny amin’ny sisin’ny fivoriana…mpiheno resaka ilay mpaka feo sy sary :

 « iza no manao an’ilay pression ? »

« Les mafieux derrière tgv, ny collectif de dj, … ny reny malala koa izy ! Reny malala manao fikan’antitra !

Tapitra ny resaka teny amin’ny sisiny… Misy maka micro dia miteny mafy be indray…

« Izao ataontsika izao anie efa manifestation é ! efa formena manifestation izao !

« hanampiko an’izay fotsiny a, miazakazaka be izany ilay fivohatran’ny zava-misy any Madagasikara ! Isika an, aleo tsy hieritreritra projet aloha, fa ny zavatra tiako hivoaka androany, dia hoe, sahy isika, izay teto Biiiiiip nisy olona izao ny isany a ! afaka isika, manameloka ny fanonganam-panjakana tsy arakin’ny lalàna !

Tehatehaka…

« Manarak’izany a, efa hita mibaribary ilay izy, misy miaramila manao coup d’Etat, ireo miaramila ireo azotsika ihany koa manao ny fanamelohana azy, fa tsy hoe tenenina fotsiny hoe coup d’Etat ilay izy, dia miantona ao ! Tenenina mazava mihintsy hoe : Tsy mety ny ataon’ireo Miaramila ireo, mampiasa fandrohorohona nahatonga an’izao coup d’Etat izao, ary ireo olona manohana, isika tsy hiteny anaran’olona, fa ireo olona manohana ara-bola an’izao coup d’Etat izao, dia manameloka isika !

« Zay éééé ! …………. + tehatehaka. ‘zay mihintsy ééé !

« …il faut dire que ce qui se passe en ce moment n’est pas légal ».

« Mbola misy manana tenenina hafa ? Proposition ana manifestation !

« Ka izao ataotsika izao anie manifestation é !

« Manifestation visible no tiako tenenina !

« Médiatisée no tian’i Biiiiip tenenina ?

« Sao dia mba azo atomboka ilay photo ?

« Antsoy kely anié ilay olona ao ivelany ao é !

« Sao dia tsy mitovy hevitra amintsika ilay olona ao ivelany ao ?

« Misy zavatra tiako tenenina kely, manao zavatra isika an, tadidio fa ny manao zavatra ohatran’izao, mba misy … misy photocopie tsy dia tena hoe maimaipoana ireo fa … tsara jerena ihany, isika tsy manana appui financier ohatran’ny sasany, izay no ataovy ao antsaina, mba asiana kely…

« Rakitra ve ?

« Non, tsy rakitra akory

« Collecte ?

« An an an, izay fo manome re ! anaovana photocopie !

Tehakatehaka indray…

« Lé mpaka sary ô ! ilay bande rôle ve mba azo ô !

Ohatrany tendus be isika izany …

« … Sao dia mbola misy hiteny aloha, sao dia misy manana zavatra ho tenenina ? »

« …Sao dia mimonomonona any ambadika any rehefa avy eo ! »

….

—————

Back